Haranita-tsaina voatrolombelona

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Rôbô ASIMO izay manana kaptera ary mampiasa aligôritma mivoatra hahafahany midina tohatra

Ny haranita-tsaina voatrolombelona (amin'ny teny frantsay : intelligence artificielle; amin'ny teny anglisy : artificial intelligence) izay ho afohezina ho AI dia sampanan'ny kajimirindra izay mandinika ary mamelatra milina ary rindrankajy marani-tsaina.

Ny AI dia taranja siantifika manan-tanjona ny manome fahafahana mamaha olana an'ny milina. Ny tanjon'ny rafitra manana azy dia mamaha ny olana ohatra ny fanaovan'ny olona. Ny rindrankajy efa mampiasa haranita-tsaina voatrolombelona dia ny lalao videô, ny rôbô ireo rindrankajy mampiasa lôjika tsy mazava na ireo tambajotra neorôna.

Fahazoana ny eritreritra[hanova | modifier le wikitexte]

Ao amin'ny fandihihana ny haranita-tsaina voatrolombelona hita misongadina ny AI tsotra ary ny haranita-tsaina ara-kajy (anglisy : Computational Intelligence na CI).

Ny AI tsotra dia mifototra amin'ny fianaran'ny milina manao, izay miseho amin'ny endriky ny fôrmalisma ary ny dinika ara-statistika. Ny fampiasana AI tsotra dia ny fampiasana:

Ny haranita-tsaina ara-kajy da mampiasa ny famerimberenana. Ny fampiasana ny haranita-tsaina ara-kajy dia voafaritra amin'ny :

  • Fampiasana tambajotra nerônina (anglisy : neural network) : manavanana ny rafitra amin'ny famantarana endrika
  • Rafitra tsy mazava (anglisy : fuzzy logic) : fizohin-kevitra ampiasaina amin'ny rafi-pifehezana ny entana varotana ankehitriny.
  • Kajimirindra mivoatra : fampiharana amin'ny concept toa ny isam-ponina, fivoaran'ny fihetsika ary faharetan'ny rafitra zatra indrindra izay hahitana ny vahaolana tsara indrindra.

Ireo fomba ireo dia zarazaraina ho aligôritma mivoatra (ohatra, aligôritma jenetika) ary ny haranita-tsain'ny andiana (ohatra, aligôritman'ny vitsika).

Fampiasana[hanova | modifier le wikitexte]

Taranja mampiasa AI[hanova | modifier le wikitexte]

Ireo taranja mampiasa ny AI dia :

  • Ny banky, amin'ny alalan'ny rafitra mpahay izay maminavina ny risque rehefa mamela tsotra (credit-scoring)
  • Ny tafika, amin'ny alalan'ny rafitra mahaleotena toa ny drôna ary ny rafitra fibaikoana ary fanampiana manapa-kevitra
  • Ny ankamaroan'ny lalao video ankehitriny, manomboka amin'ny lalao eseky hatramin'ny lalao tifitifitra lalaovina eo amin'ny tambajotra
  • Ny fitsaboana, amin'ny alalan'ny rafitra mpahay manampy ny mpitsabo mamantatra ny aretina
  • Ny lojistika
  • Ny fibeazana


Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.