Goiás

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ny faritan'i Goiás (miloko mena)

I Goiás dia faritany mizaka-tena ao Brazila, izay eo amin'ny faritra afovoan'ny firenena. Ny teny Goiás (izay Goyaz taloha) dia avy amin'ny anaran'ny mponina teratany eo an-toerana. Ny teny tena niavian'ilay anarana dia mety guaiá izay midika "olona mitovy fiaviana". Ny faritany manodidina azy dia i Tocantins, Bahia, Minas Gerais, ny Distrika Federaly, Mato Grosso do Sul ary Mato Grosso.

Ny renivohitr'i Goiás dia Goiânia, izay nanana isam-ponina 1,26 tapitrisa tamin'ny 2008.