Gega (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Gega)

Iray amin' ireo karazam-poko lehibe ao Albania, raha ny Tôska ilay karazana iray faharoa. Monina amin' ny tapany avaratr' i Albania izy ireo (avaratry ny ony Shkumbin), ao Kôsôvô, Serbia Atsimo, tapany atsinanan' i Môntenegrô, ary amin' ny tapany andrefan' i Makedônia ihany koa. Mbola mandàla ny fomban-drazany sy ny fahambonian' ny fokony izy ireo noho ny toerana misy azy voafefin' ny tendrombohitra sy havoana isan-karazany, ka mahasarotra ny fidiran' ny vahiny any. Katôlika ny ankamaroan' izy ireo, ary ireo mponina katôlika vitsy an'isa (10 %) ao amin' io firenena io dia any avaratra avokoa no tena ahitana azy.