Fitna

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fitnah)

Ny teny hoe fitna na fitan dia teny arabo ampiasaina hanondroana fisaraham-bazana ara-pôlitika sy ara-pivavahana, ady an-trano, fifandrafiana ary fisaratsarahana teo amin' ny Mozilmana. Io teny io dia misy heviny mivelatra manondro ny fitsapana, ny fahoriana, ny fakam-panahy, ny fikomiana, ny ady ary ny ady an-trano.

Ny teny hoe fitna ao amin' ny fiteny arabo[hanova | hanova ny fango]

Mety hanavaka ny dikan' ny teny hoe fitna ao amin' ny teny arabo klasika sy ny dikany ao amin' ny teny arabo ankehitriny sy ao amin' ny fitenim-paritra arabo isan-karazany ny mpanoratra. Noho ny maha zava-dehibe ny teny hoe fitna ao amin' ny Kor'any, ny fampiasana azy amin' io boky io dia mety mila dinihina misaraka amin' ny dikan' io teny io amin' ny teny arabo klasika na manampy izany.

Ankoatra ny fampiasana azy ao amin' ny Kor'any, ny teny hoe fitna dia ampiasaina hanondroana ny ady an-trano lehibe efatra tao amin' ny Kalifata Silamo nanomboka tamin' ny taonjato faha-7 ka hatramin' ny taonjato faha-9.

Ny teny hoe fitna manondro ny ady an-trano lehibe[hanova | hanova ny fango]

Nanjary nanana heviny voalohany hoe "fikomiana", "fanakorontanana" na "ady an-trano" ny teny hoe fitna, ady an-trano izay miteraka fisaraham-bazana ary ao anatin' izany ny naha tandindomin-doza lehibe ny fahadiovan' ny finoana. Noho ny ady izay nanamarika ny fiavian' i Mu'āwiya teo amin' ny fitondrana, ny teny hoe fitna dia nampiharina amin' ny vanim-potoana rehetra nisian' ny korontana nateraky ny sekoly na hetsika izay nisaraka tamin' ny ankamaroan' ny mpino. Araka izany io teny io dia nenti-niresaka momba ny ady lehibe hafa toy ny Fitna Voalohany (taona 656–661), Fitna Faharoa (taona 680–692), ny Fitna Fahatelo (taona 744–747), ny Fitna Fahefatra (taona 809–827), ny Fitna Fahadimy (taona 866–866) ary Fitnan' i al-Andalus (taona 1009–1031).