Fiteny thai
Avy amin'i Wikipedia
Ny fiteny thai (anarany eo an-toerana : ภาษาไทย [phaː˧.saː˩˦.tʰɑj˧]) dia fiteny ao amin'ny vondrom-piteny tai voasokajy ao amin'ny fiteny tai-kadai. Ny isan'ny mpiteny thai dia enimpolo tapitrisa.
Ny fiteny thai dia teny ofisialin'ny Fanjakan'i Tailandy.
Votoatiny |
Fanoratana [hanova]
Ny fiteny thai dia soratan amin'ny alàlan'ny abogida manokana (abidy thai) avy amin'ny abidy kimera, navadika mba hahafahana manoratra tsara ny fiteny thai.
- Izy io dia manana renifeo roapolo, soratana amin'ny alàlan'ny litera efatra ambin'ny efapolo, roa no tsy ampiasaina intsony ;
- Izy io dia manana zanapeo efatra ambin'ny roapolo, misy ny zanapeo misosona ho roa ary ny zanapeo misosona ho telo, soratana amin'ny alàlan'ny litera telo ambin'ny folo (zanapeo enina fohy, dimy lava ary diakritika zanapeo misosona manokana) ;
- Ny haabom-peo dia miankina amin'ny renifeo safidiana, voazara ho vondrona telo ; asiana diakritika efatra mba hahafahana mampiditra teny vahiny sarotra soratana.
Ny fiteny thai dia soratana avy any ankavia mankany ankavanana, tsy misy fijanonantsoaratra, ary mety misy teny maro soratana miraikitra. Tsy mifandray ny litera. Tsy misy lohasoratra.
Fanononana [hanova]
Zanapeo [hanova]
| antérieure | centrale | postérieure | |
|---|---|---|---|
| fermées | i | ɯ | u |
| mi-fermées | e | ɤ | o |
| mi-ouvertes | ɛ | ɔ | |
| ouvertes | a | ɑ |
Renifeo [hanova]
| bilabiales | labiodentales | alvéolaires | post-alvéolaires | palatales | vélaires | glottales | |
|---|---|---|---|---|---|---|---|
| occlusives sourdes non-aspirées | p | t | k | ʔ | |||
| occlusives sourdes aspirées | pʰ | tʰ | kʰ | ||||
| occlusives sonores | b | d | |||||
| affriquées (sourdes) | ʨ | ||||||
| affriquées (sourdes) aspirées | ʨʰ | ||||||
| fricatives (sourdes) | f | s | h | ||||
| nasales | m | n | ŋ | ||||
| latérales | l | ||||||
| vibrantes (battue) | r | ||||||
| spirantes | j | w |
Haabom-peo [hanova]
Ny fiteny thai dia manana haabom-peo dimy : ambany [˨˩], afovoany [˧], ambony [˦˥], mihidina [˥˩] ary miakatra [˩˦].
Jereo koa [hanova]
Rohy ivelany [hanova]
- Dictionnaire Thaïlande-guide : dictionnaire français-thaï de plus de trois mille mots
- dictionnaire thaï (romanisé)-français/français-thaï (romanisé) Freelang
- Dictionnaire gratuit Volubilis : thaï - thaï romanisé - français - anglais (47 000 entrées)
- Clavier Thaï en ligne
Boky [hanova]
- ASSIMIL, Introduction au thaï, nataon'i Watana Noonpackdee Butori sy Bernard G. Butori, (ISBN 2700520866)