Fiteny sinoa mandarina

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Mandarina
官話 na 官话 (guānhuà)

Isan'ny mpiteny 1,3 miliara
Faritany teny ofisialy any Flag of the People's Republic of China.svg Sina, Flag of the Republic of China.svg Taiwan ary Flag of Singapore.svg Singapaoro
Sata anisan'ny teny ofisialin'ny Firenena Mikambana


Ny fiteny mandarina (amin'ny teny sinoa 官話) dia sokajy irain'ny tney sinoa izay tenenina any avaratra ary any atsimo atsinanan'i Sina entim-bahoaka. Raha io no atao hoe fiteny, dia izy io no fiteny be mpiteny indrindra erak'izao tontolo izao. Ny fiteny mandarina dia soratana amin'ny alalan'ny sinograma izay dikaina soratra amin'ny alalan'ny pinyin ary koa amin'ny alalan'ny bopomofo.

Noho ny fampiasaina io fiteny io ho fiteny fanabeazana, heverina fa eo amin'ny 1,3 miliara eo ho eo no mahay miteny io fiteny io ankehitriny. 800 tapitrisa eo ho eo no sinoa manana io fiteny io ho teny nibeazana (izany hoe io fiteny io no voalohany nianarany).

Fanononana ny teny sinoa mandarina[hanova | hanova ny fango]

  • Ny fanononan'ny fiteny sinoa mandarina dia mifototra amin'ny fanononan'ny firokin'i Beijing, izay manana voambolana ary fanononana miforotra amin'ny firoky sinoa tavaratra.

Miisa efata ireo haabom-peo misongadiana amin'ny teny sinoa, izay teny ara-kaabom-peo :

  • Ny haabom-peo voalohany : 妈 (ma1);
  • Ny haabompeo faharoa : 麻 (ma2);
  • Ny fahatelo : 马 (ma3);
  • Ary ny fahaefatra : 骂 (ma4)

Misy ihany koa ny atao hoe haabom-peo tsy mitongilana izay mety antsoina hoe haabom-peo fahadimy. Io haabom-peo fahadimy io dia hita amin'ny fanononan'ny sinôgrama 吗 (ma na ma5) izay midika "ve".

Miaraka amin'ny haabom-peo dia 1 277 ny isan'ny vaninteny ananan'ny teny sinoa mandarina. Izay hahafahana manavaka am-bava ny teny ampiasaina indrindra amin'ny teny sinoa.