Fiteny singalesa
| Sinhala | ||||
|---|---|---|---|---|
| සිංහල siṁhala | ||||
| Tenenina any | Sri Lanka | |||
| Total speakers | 19 million | |||
| Ranking | 60 | |||
| Language family | Indo-European
|
|||
| Writing system | Sinhala abugida (developed from the Brahmi) | |||
| Official status | ||||
| Official language in | Sri Lanka | |||
| Regulated by | No official regulation | |||
| Language codes | ||||
| ISO 639-1 | si | |||
| ISO 639-2 | sin | |||
| ISO 639-3 | sin | |||
|
||||
Ny fiteny singalesa (සිංහල / sinhala) dia fiteny an'ny vondrona indô-arianin'ny fiteny indô-eorôpeanina. Any Sri Lanka izy no teny ofisialy satria maherin'ny 70%-n'ny olona mipetraka any no miteny singalesa.
Ny singalesa dia fitenin'ny fikambanan sri-lankey any Azia Andrefana, an Aostralia, any Eoropa (Angletera, Frantsa, Italia) ary any Amerika Avaratra, ny isa tontalin'ny mpiteny singalesa dia misy 19 tapitrisa eo ho eo.
Ny fiteny singalesa dia nindrana teny tany amin'ny fiteny pāli, tany amin'ny fiteny sanskrity sy tany amin'ny tamil, ary hatry ny taonjato faha 16, tamin'ny portogey, tamin'ny neerlandey ary tamin'ny anglisy.
Etimôlôjia [hanova]
Sinhala dia teny avy amin'ny fiteny sanskrity ; ny teny amin'ny fiteny Indianina Anivo dia Sīhala ; ny teny amin'ny fiteny silgalesa ankehitriny dia heḷa na eḷu. Ny sanskrity sy ny Indianina anivo dia manana ny teny « liona » (siṃha sy sīha) anatin'ny fiteniny. Araka ny maribolana, i Sinhabahu na Sīhabāhu, dia zanaky ny printsesy Vanga sy liona iray. Namono ny rainy izy ary lasa mpanjakan'i Vanga. Ny zanany Vijaya dia nifindra tany atsimon' India mba ho lasa razan'ny Singalesa ankehitriny. Raha raisina an'isa ny porofo ara-piteny, ny tenin'ny anaram-ponina dia midika « liona »