Fiteny kannada

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Wiki letter w.svg   Ity pejy ity dia pejy manirery ary tokony asiana rohy manketo ny pejy hafa. (Martsa 2010)

Asio rohy manketo ny lahatsoratra hafa misy fifandraisana amin'ny lazain' ity lahatsoratra ity.

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka india ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Ny fiteny kannada (ಕನ್ನಡ), na sirigannada dia fiteny diravidianina any atsimon'i India. Izy ny fiteny tena antitra indrindra amin'ny fiteny diravidianina. Teny ofisialy ny Karnataka ny fiteny kannada. Misy olona 45 tapitrisa no mampiasa ny fiteny kannada any India

Ilay fiteny[hanova | modifier le wikitexte]

Efa nisy 2500 taona mahery izay no nisy ny fiteny kannada, ary soratana amin'ny alphasyllabaire kannada izy. Noforonina tamin'ny taonjato faha roa io alphasyllabaire io. Mitovy endrika amin'ny fiteny diravidianina hafa ny fivoaran'ny fiteny kannada, indrindra amin'ny fiteny tamil sy ny fiteny telugu. Tamin'ny taonjato farany, nanana fianjadiana tamin'ny fiteny sanskrity ny fiteny kannada sy ny fiteny telugu.

Misy divergence ny fiteny soratana sy ny fiteny tenenina, ary samihafa ny fiteny kannada arakaraky ny faritra. Manana tenim-paritra 20 ny fiteny kannada. Ny tena be mpiteny indrindra dia :

Sata ofisialy[hanova | modifier le wikitexte]

Ny fiteny kannada dia anisan'ny teny ofisialin'i India ary teny ofisialin'ny faritan'i Karnataka. Misy mpiteny kannada ihany koa any amin'ny faritra tamil nadu, fa tsy teny ofisialy io teny io any.

Soratra[hanova | modifier le wikitexte]

Ny kannada dia manana alphasyllabaire hanoratana azy. Misy litera 52 ilay alphasyllabaire. Mitovitovy endrika amin'ny fomba fanoratana hafa any India ny soratra kannada. Satria voasintona avy amin'ny soratra Brahmî ny soratra kannada ; somary sarotsarotra ihany ny manoratra amin'io soratra io, manana litera tàpany izao ohatra ny alphasyllabaire kannada, ary manana ligatiora manokana na tsindrim-peo ihany koa izy. Noho izany, mihoatra be ny litera 52 ny abidy ny isan'ny eva (symbole). Afaka manatambatra litera maro koa ny mpanoratra raha te-hanao ottakshara. vaninteny iray ny eva iray.

Misy sokajy telo ny eva :

  • ny swara : zanapeo, mety fohy, lava kely na lava ;
  • ny vyanjana : ny renifeo ;
  • ny yogavaaha : ny vaninteny

Jereo koa[hanova | modifier le wikitexte]

Rohy ivelany[hanova | modifier le wikitexte]