Firaisan'ny Repoblika Sosialista Sovietika

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Flag of the Soviet Union.svg
Union of Soviet Socialist Republics (orthographic projection).svg

Ny Firaisan'ny repoblika sosialista sovietika (FRSS), na Firaisana Sovietika (amin'ny fiteny rosy : Союз Советских Социалистических Республик izay manana dikan-tsoratra Soyuz Sovietskikh Sotsialistichestikh Respublik) dia Fanjakana federaly, ahitana repoblika sosialista sovietika 15, izay nisy nanomboka tamin'ny 30 Desambra 1922 hatramin'ny fanjavonany tamin'ny 26 Desambra 1991. Môsikao no renivohitra.

Iray ampahaenin'ny velarantany manontolon'ny tany maina ilay firenena izay firenena nidadasika indrindra teto amin'izao tontolo izao. Nandova ny tanin'ny empira rosy izy, afatsy i Finlandy ary Polonia izay lasa firenena mahaleotena taorian'ny ady an-trano rosy tamin'ny 1918 hatramin'ny 1921.