Fasintsara

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Fasintsara
Sary:Fasintsara.jpg
Administration
Pays Flag of Madagascar.svg Madagasikara
Région Vatovavy-Fitovinany
Province Fianarantsoa
District Ifanadiana
Géographie
Latitude
Longitude
Altitude 678
Démographie
Population 13000
Localisation
Madagascar location map.svg
City locator 14.svg
Fasintsara
Fasintsara.JPG

I Fasintsara dia kaominina ambanivohitra malagasy ao amin'ny distrikan'i Ifanadiana, faritr'i Vatovavy-Fitovinany.


Tantara[hanova | hanova ny fango]

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

Ny misy kaominin'i Fasintsara dia 78 kilaometatra atsinanan'ny distrikan'Ambositra (faritra Amoron'i Mania) ary eo amin'ny 100 kilaometatra andrefan'ny distrikan'Ifanadiana. Andalovan'ny reniranon'i Sakaivo ny kaominina, ary ahitana an'ireto fokontany sy tanàna ireto : Ambalapaiso, Ambatomanjaka, Ambinanisery, Ambodihara Nord, Ambodihara Sud, Ambodivoangy, Ambodinihaonana, Ambohitsara, Ampasimbola, Ampasinambo, Andranomaitso, Antenombelona, Befotaka, Fasintsara, Fiadanana Nord, Manakana Sud, Marovoraka, Morarano, Sahakondro, Sakavanana, Tsarakianja, Tsararivotra, Tsaratanana ary Volobe. Mitoka-monina i Fasintsara, ary dia an-tongotra sy môtô tsy mataho-dalana ihany no ahafahana mankany.

Mponina[hanova | hanova ny fango]

I Fasintsara dia manana mponina eo amin'ny 13 000 eo (tombana natao tamin'ny 2001). Ny foko « Tanala » no monina amin'io kaominina io.

Toe-karena[hanova | hanova ny fango]

Fambolena sy fiompiana no foto-piveloman'ny mponina ao Fasintsara, toy ny voly vary, haninkotrana ary fary. Ity farany dia natokana ho amin'ny famokarana toaka gasy. Antom-piveloman'ny mponina koa ny fitrandrahana volamena ao amin'ny reniranon'i Sakaivo. Misy tsena ao Fasintsara isaky ny zoma. Jean-Paul Koto no ben'ny tanàna ao Fasintsara.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka Madagasikara ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.