Farihy Tanganyika

Avy amin'i Wikipedia
Farihy Tanganyika

I Tanganyika na Farihy Tanganiyka dia farihy ao Afrika Afovoany, isan' ireo Farihy Lehibe aty Afrika, ao amin' ny Lohasahan' ny Hantsana Lehibe (na Rift Valley), mizara amin' i Borondy any avaratra, i Tanzania any atsinanana, i Zambia any atsimo ary amin’ ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô any andrefana.

Ny farihy Tanganyika manana halava 680 km sy sakany 72 km (ny be indrindra). Mirefy 32 900 km² eo ho eo ny velarany, noho izany dia izy no farihy fahafito lehibe indrindra eran-tany ary faharoa aty Afrika, aorian’ ny Farihy Victoria. Ny halaliny dia mahatratra 1 436 m ka mahatonga azy ho farihy faharoa lalina indrindra eran-tany, aorian’ ny Farihy Baïkal. Ny renirano Lukuga, izay mikoriana mankany amin’ ny ony Congo, no hany korian-drano mivoaka avy ao aminy.

Ity farihy ity dia fantatra amin' ny fisian’ ny karazan-trondro maro ao aminy; misy voay sy lalomena koa ny eny amorony; lonaka ny tany manodidina azy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Farihy anisan' ny Farihy Lehibe aty Afrika: