Famantaranandro marani-tsaina

Avy amin'i Wikipedia
Samsung Galaxy Watch izay mampiasa ny mpandrindra milina Android
PDA entin-tanana

Ny famantaranandro marani-tsaina (smartwatch amin'ny fiteny anglisy) dia famantaranandro tanana ahitana solosaina izay afaka manao zavatra maranitra kokoa afatsy ny manondro ny fotoana. Ny famantaranandro marani-tsaina tamin'ny voalohany dia nahavita zavatra toa ny fikajiana, fandikan-teny ary filalaovana; ny ankehitriny dia tena solosaina enti-tanana tokoa miaraka amin'ny mpandrindra milim-pinday ary mandeha toa ny mpilalao haino aman-jery finday izay azo ihainoana fampielezam-peo FM, andefasana feo na horonantsary amin'ny alalan'ny headset Bluetooth. Misy koa ireo famantaranandro marani-tsaina afaka iantsoana olona ary afaka mandray antson'olona amin'ny alalan'ny teknôlôjiam-pifandraisan'ny finday.

Ireo fitaovana ireo dia ahitana fakan-tsary, mpandrefy fampahainganana, mpandrefy haavo, mpandrefy tsindry, famantaranavaratra, mpandrefy fototnaa, mpikajy, finday, efijery kasihina, GPS, mpaneho sarin-tany, famoaham-peo, mpandaha-potoana, famantaranandro, karatra SD fantatry ny solosaina ho mpitahiry ambongadiny ary vatoaratra azo fahanana. Afaka mifandray amin'ny alalan'ny headset tsy misy tariby, paompy insolinina, mikrôfôna, modem na fitaovana hafa.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Taompolo 1990[hanova | hanova ny fango]

Ny Timex Datalink malaza, famantaranandro antsoina ho tahaka izany, Nampidirina tamin'ny 1994 ny vokatra tsipika. Ny Timex Datalink tany am-boalohany dia manao ny famindrana ny rakitra amin'ny PC amin'ny alalan'ny fifandraisana tsy misy tariby. Ny fanendrena sy ny fifandraisana dia noforonina tamin'ny alalan'ny fandaharana Microsoft Schedule+, izay nodimbiasan'ny MS Outlook, azo mora mifindra any amin'ny efijerin'ny famantaranandro.

Tamin'ny 1998 dia namorona ary namboatra ny famantaranandro voalohany indrindra mifototra amin'i Linux i Steve Mann, izay natolony tamin'ny IEEE ISSCC2000, tamin'ny 7 Febroary 2000, izay nahatonga azy ho "rain'ny solosaina enti-tanana".

Jereo koa ny gazety Linux izay nisehoan'ny famantaranandro tanan'i Mann.

Tamin'ny 1999, dia nandefa ny finday enti-tanana toa ny famantaranandro i Samsung, ny SH-WP10, manana antenina izy io, efijery LCD toka-doko, ary fahafaha-miteny mandritry ny 90 minitra amin'ny alalan'ny famoaham-peo ary mikrôfôna ao anatin'ilay famantarananadro.

Taona 2000-2005[hanova | hanova ny fango]

Famantaranandro marani-tsaina mandefa Linux 2.2 namboarin'i Mann

Tamin'ny volana Jiona 2000, dia nampiseho prôtôtipa famantaranandro iray mandeha amin'i Linux i IBM. Naharitra adin'ny enina fotsiny ny vatoarany, izay naitatra haharitra adin'ny 12 taoriana. Izy io dia nanana arika 8 Mo ary nandefa an'i Linux 2.2. Nohatsaraina ary nampiana mpandrefy fampahainganana, rafitra mihovitrovitra ary mpahita dian-tanana ilay zavatra taty aoriana. Nanomboka niara-niasa tamin'i Citizen Watch Co. i IBM mba hamorona ny "WatchPad". Ilay WatchPad 1.5 dia manana efijery kasihina toka-doko 320x240 QVGA ary mandefa an'i Linux 2.4. Manana rindrankajy mandefa kalandrie izy io, Bluetooth, arika RAM 8Mo ary arika Flash 16 Mo. Nihevitra ny hivarotra io famantaranandro io 399$ ho amin'ny mpianatra ary ny mpanao bizinesy i Citizen. Kanefa dia najanony tamin'ny 2001-2002 ilay tetikasa.

Taona 2005-2010[hanova | hanova ny fango]

Taona 2010-2014[hanova | hanova ny fango]

Lisitry ny famantaranandro marani-tsaina amboarina[hanova | hanova ny fango]

Famantaranandro marani-tsaina Orinasa mpanamboatra
Sony SmartWatch[1] Sony
SmartWatch 2 Sony
Qualcomm Toq Qualcomm
Pebble Watch Pebble
Wearing Digital WEDA (Slap Band)[2] Wearing Digital
Ruputer Seiko
Timex Datalink[3] Timex Group USA
Garmin Forerunner Garmin
NikeFuel Nike, Inc.
WIMM One Wimm Labs
Motorola Motoactv Motorola
Motorola Moto 360 Motorola
MetaWatch Strata Meta Watch, Ltd
Samsung Galaxy Gear Samsung
Samsung Gear 2, Gear Neo, and Gear Fit Samsung
Smartwatch Elegance[4] Phone House
Kreyos Meteor[5] Kreyos
GEAK Watch[6] ?
i'm Watch i'm S.p.A
HOT Watch ?
Omate TrueSmart Omate
Z1 Android Watch-Phone ?
Fashion S9110 ?
LG GD910 (edición limitada) LG
Hyundai MB 910 Hyundai
ANDROID SmartWatch[7] ?
Samsung Gear Live Samsung
Samsung Gear S Samsung

Fampitahana ny famantaranandro marani-tsaina[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  1. Endrika:Cita web
  2. Endrika:Cita web
  3. Endrika:Cita web
  4. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2015-03-14. Retrieved 2015-03-09.
  5. Endrika:Cita web
  6. Endrika:Cita web
  7. Endrika:Cita web