Epistily faharoa ho an' i Timôty

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Epistily faharoa ho an'i Timoty)

Ny Epistily faharoa ho an' i Timôty na Epistola faharoa nosoratan' i Masindahy Paoly ho an' i Timôte na Taratasy faharoa nosoratan' i Masindahy Paoly ho an' i Timôte dia boky ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly, izay anisan' ireo atao hoe epistily. Ity epistily ity dia miendrika taratasy famelan-kafatra ka itodihan' i Paoly ny lasa sady ibanjinany ny hoavy ary anatrehany ny ankehitriny. Miresaka ny amin' ny fijoroan' i Timôty (na Timôte) ho vavolombelon' ny Filazantsara (na Vaovao Mahafaly) izy. Resahiny koa ny amin' ireo fahasoavana azony noho izany fijoroana izany sy ny hevitry ny fijalian' ny Apôstôly. Derainy ny fahamalinan' i Timôty mpitondra fiangonana manoloana ny fampianaran-diso sy manoloana ny zavatra mety hahavery ny olona amin' ny andro farany. Manamafy ny maha zava-dehibe ny fiderana sy ny tokony hahaizana mitondra ireo ondry mania koa ilay taratasy. Asehony fa misy tanjona ny fahorian' i Paoly, dia ny hahasoa ny mpino ho vonjen' ny finoany. Hazavainy fa ny finoana dia fanekena ny fampianarana madio sy fitokiana amin' izany.

Naman' ireo atao hoe epistily pastôraly nosoratan' i Paoly io epistily io. Taratasy nosoratan' i Paoly ho an' i Timôty izany, dia i Timôty izay sady mpianany no mpiara-dia aminy. Tokony ho teo anelanelan' ny taona 61 sy 67 no nanoratana azy. Misy toko 4 ity boky ity.

Ahitana toromarika isan-karazany momba ny tokony hataon' i Timôty mba hitoerany ho mahatoky amin' ny fampianarana voarainy ity taratasy ity. Amin' izao fanenjehana izay nahatonga an' i Paoly higadra izao sy noho ireo fampianaran-diso mananontanona ny Fiangonana dia mankahery an' i Timôty i Paoly (2Tim. 1) mba hiaretany fahoriana (2Tim. 2.1-13) sy hiaro ny marina (2Tim. 2.14 – 4.15). Tokony hialany ny fifandirana tsy mahasoa (2Tim. 2.14-12). Tokony hihalavirany ny mpanao fampianaran-diso (2Tim. 3.1-19). Tokony hitandrina izay nampianarina azy izy (2Tim. 3.10-17). Tokony hitory ny Tenin' Andriamanitra izy (2Tim. 4.1-5). Ambarany fa ny Soratra Masina manontolo dia avy amin' ny tsindrimandrin' Andriamanitra sady mahasoa ho enti-mampianatra sy hanoherana ny fampianaran-diso ary hananana fitondran-tena araka ny sitrapon' Andriamanitra (2Tim. 3.16).

Ny anaran' ny boky[hanova | hanova ny fango]

Δεύτερη Επιστολή προς Τιμόθεο / Deuterê Epistolê pros Timotheo no fiantsoana azy amin' ny teny grika fa Epistula II ad Timotheum kosa amin' ny teny latina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo Epistilin' i Paoly:

Boky hafa ao amin' ny Baiboly: