Dinika amin'ny mpikambana:Rondro HR

Le contenu de la page n’est pas pris en charge dans d’autres langues.
Avy amin'i Wikipedia

Rondro HR, vehivavy malagasy teraka tao Antananarivo, Madagasikara. Rehefa nahavita ny fianarana ambaratonga fototra, tamin'ny sekoly katolika (Kolejin'i Maria Manjaka Andohalo, sy Collège Saint Michel Amparibe), dia niomana ho mpitsabo ka nahazo ny Doctorat d'Etat en Médecine. Ankoatra izany, dia nandalim-pahaizana sy manana traikefa amin'ny fitantanana fikambanana, orinasa, mpiasa.

Havanana ihany koa amin'ny asan-tanana sy taozavatra maro, fikarakarana sakafo sy fandraisam-bahiny. Ary indrindra, tia asa soratra sy teny, ka efa nahazo loka maro tamin'ny fifaninanana isan-karazany : tononkalo, tononkira, sombin-tantara, tantara an-tsangana, hatsikana, tantara filalao amin'ny sehatry ny haino aman-jery, toriteny ...

Zanaky ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, ary nandalo sampana vitsivitsy toy ny Sekoly Alahady, Mpanazava sy Tily, ary Dorkasy.