David Ben-Gurion

Avy amin'i Wikipedia
David Ben-Gurion
Ankapobeny
Anarana David Ben-Gurion
Teraka 16 Oktobra 1886
Maty 1 Desambra 1973
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Israely, Polonia
Asa :
Fiainana manokana

I David Ben-Gurion dia mpanao pôlitika, mpitondra fanjakana israeliana, teraka tamin' ny 16 Ôktôbra 1886 tao Płońsk (foiben' i Pôlônia, nakambana tao amin' ny Empira Rosiana) ary maty tamin' ny 1 Desambra 1973 tao Sde Boker (Israely). Amin' ny teny hebreo dia atao hoe דָּוִד בֶּן-גּוּרְיוֹן / David ben Guryôn fa داود بن قوريون amin' ny teny arabo, Tamin' ny fahaterahany dia David Grün no anarany, דוד יוסף גרין / David Yosef Grin amin' ny teny idisy.

Tamin' ny taona 1930 dia nandray anjara tamin' ny fananganana ny antoko Mapai (מפא"י) izy, izay lasa Antokon' ny Mpiasa Israeliana, nitarika ny Jiosin' i Palestina (Yishuv) nandritra ny fitantanana britanika (1918-1948), avy eo ny Fanjakan' i Israely, nandritra ny telopolo taona voalohan' ny fisiany.

Izy no mpanorina ny Fanjakan' i Israely, izay nambarany ny fahaleovantenany tamin' ny 14 May 1948. Izy no praiminisitra teo amin' ny firenena hatramin' ny taona 1948 ka hatramin' ny 1954 ary hatramin' ny 1955 ka hatramin' ny 1963. Izy no praiminisitra israeliana naharitra ela indrindra (amin' ny fomba mifanesy sy mifanelana), hatramin' i Benyamin Netanyahu tamin' ny taona 2018.

Ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

Ny vadiny dia Paula Ben-Gurion. Ny zanany dia Amos Ben-Gurion.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.