Andriamanarivo Paoly Rabe
Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny DadaRabe (RABE Andriamanarivo Paoly))
[Ovay] DadaRabe
DadaRabe dia mpanoratra malagasy [1] teraka tamin'ny taona 1968 tao Antananarivo. Nianatra teny Ankatso ary nivoaka ho dokotera. Nanohy fianarana tany Frantsa izy ary nahazo ny mari-pahaizana manokana momba ny "Psychiatrie". Niverina tao Madagasikara izy ny taona 2007 ary mampianatra ao amin'ny faculté de médecine ao Mahajanga.
[Ovay] Ny sangan'asany
Manoratra tononkalo amin'ny teny malagasy no tena ataony. Mpikambana mpanorina ny HAVATSA-UPEM Frantsa.
Namoaka boky tononkalo izy tamin'ny taona 2003 : "Dia nisy ny mazava". Misy tononkalo 700 eo ho eo nosoratany.

