Bongolava

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

Bongolava dia isan'ireo faritra 22 mandrafitra ny firenena malagasy. Tao anatin'ny faritan'Antananarivo teo aloha no misy azy. Distrika roa no mandrafitra ny faritr'i Bongolava, dia i Tsiroanomandidy (renivohitry ny faritra) sy i Fenoarivobe. Betsiboka, Melaky, Menabe, Vakinankaratra, Itasy ary Analamanga no mamaritra azy.

Votoatiny

[hanova] Politika

Tamin'ny Repoblika voalohany dia tao anatin'ny Fileovan'Itasy no nisy ny faritr'i Bongolava. Rehefa niova ny rafitry ny fitsinjaram-pahefana,tamin'ny Repobika faharoa, dia isan'ireo fivondronana 19 mandrafitra ny Faritanin'Antananarivo, ireo distrika roa, Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe. Ankehitriny, tamin'ny fametrahana ireo faritra 22 eto Madagasikara, dia natsangana ho faritra i Bongolava ka i Tsiroanomandidy no renivohitr'izany. Ny lehiben'ny faritra dia i Jean Claude Rabarijaona.

[hanova] Toe-karena

Ny faritra Bongolava dia isan'ny faritra mivelona amin'ny fambolena sy fiompiana. Isan'ny mpamatsy ny renivohitr'i Madagasikara izy eo amin'ny lafiny vary, katsaka. Raha ny fiompiana kosa no asian-teny, dia ny fiompiana omby no mampalaza azy indrindra. Ao Tsiroanomandidy rahateo no misy ny tsenan'omby lehibe indrindra eto Madagasikara. Saika miondrana ao Antananarivo avokoa moa ireo omby ireo.

[hanova] Mponina

Faritra azo sokajiana ho faritry ny mpifindra monina iny tapany andrefana amin'ny faritan'Antanaanrivo teo aloha iny. Tsy mahagaga raha hita ao Tsiroanomandidy avokoa ireo foko 18 misy eto Madagasikara.


[hanova] Rohy ivelany

Fitaovana manokana
Valam-pejy

Ny ''skin'' Voasintona
Tao
Fitetezana ny wiki
Fikambanana
Handray anjara
Fanoroana sy fitsipika
Fitaovana
Amin'ny tenim-pirenena hafa