Azia andrefana

Avy amin'i Wikipedia
Azia Andrefana

I Azia Andrefana na indraindray Azia Atsimo-Andrefana dia faritra ao Azia izay mahafaoka ampahany amin' ny Afovoany Atsinanana (tsy tafiditra ny faritra eorôpeanan' i Torkia na ny faritra afrikana amin' i Ejipta eo ivelan' i Sinay), izany hoe: i Abkazia, i Arabia Saodita, i Armenia, i Azerbaijàna (ampahany), i Bareina, i Sipra, i Sipra Avaratra, i Jeôrijia (ampahany), i Karabaga Ambony, i Sinay, ny Emirata Arabo Mitambatra, i Libanona, i Iràka, i Iràna, i Israely, i Jôrdania, i Kôety, i Ômàna, i Ôsetia Atsimo, i Palestina, i Katara, i Siria, ny faritra aziatika any Torkia ary i Iemena. Raha lazaina amin' ny teny hafa dia ahitana an' i Torkia  ary tsy tafiditra ao Ejipta manontolo.

Ity teny ity dia vao haingana no neken' ny jeôgrafa maro, izay mikendry ny hanome antony ny anaran' ireo faritra misy any Azia araka ny toerana ara-jeôgrafia misy azy fa tsy araka ny fijerena azy mifototra amin' i Eorôpa, toy ny teny hoe Atsinanana Akaiky na Afovoany. Atsinanana. Ny Indiana, ohatra, dia tsy mampiasa ny teny hoe "Afovoany Atsinanana", fa "Azia Andrefana" na "Azia Atsimo Andrefana". Izany dia manan-kery ho an' ny Azia manontolo sy any amin' ny firenena hafa koa.