Avatar (horonantsary, 2009)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Avatar (filma, 2009))
  

Avatar dia filma science-fiction amerikanina nosoratana ary nentin'i James Cameron, miaraka amin'i Sam Worthington, Zoë Saldaña, Sigourney Weaver, Michelle Rodriguez ary i Stephen Lang. Ny tantaran'ilay filma dia amin'ny 2154. Ilay filma dia nivoaka tany Eoropa tamin'ny 16 Desambra 2009 ary tany Amerika Avaratra tamin'ny 18 Desambra 2009.

Ny famoronana ny hevitra momba ilay filma dia nanomboka tamin'ny 1994, tamin'i Cameron nanoratra script miisa pejy 180 ho an'ilay filma. Ny fanombohan'ny fanamboarana ilay filma dia tokony nanomboka tamin'ny 1997 teo aorian'ny famoahana ny filma Titanic fa, arak'i Cameron, ny teknolôjia ilain aho an'ny fanamboarana ny filmany dia mbola tsy misy (tamin'izay fotoana izany). Natohy 10 taona tety aoriana ny asany, tamin'ny ririnina 2005 ary nanomboka nanitatra ny script-n'ny tontolo nofofonina i J. Cameron tamin'ny fanombohan'ny taona 2006.

Io filma io dia anisan'ny filma lafo indrindra tao amin'ny tantaran'ny sinema, arak'i The New York Times, ny tetibolan' Avatar dia 460 tapitrisa Dollar amerikanina tany ho any, fa ny fahombiazany manerana ny tany dia nafahany namoaka tombony afaka 10 andro monja, ary nafahana nampiditra 2,4 miliara dollar amerikanina (voatahiry tamin'ny 21 Febroary 2010) : ilay filma koa dia faha dimy nahatratra fampidiram-bola iray miliara dollar ary voalohany nahatratra ny roa miliara. Afaka 10 herinandro monja, io ny fahombiazana ngeza indrindra an'ny sinema, nandresy an'i Titanic (1,84 miliara USD), mbola nataon'i James Cameron ihany koa. Eo alohan'io fahombiazana manerana ny tany io, efa mitsinjo trilôjia i Cameron.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.