Arsimeda
Avy amin'i Wikipedia
Arsimeda avy any Sirakioza (amin'ny fiteny grika Ἀρχιμήδης / Arkhimêdês), teraka tany Sirakioza tamin'ny 287 talohan'i Jesosy Kristy ary maty tany Sirakioza tamin'ny 212 talohan'i Jesosy Kristy, dia siantifika lehibe grika niaina tany Sisily, tamin'ny andro taloha. Izy io dia fizisiana, matematisiana ary injeniora. Na dia vitsy aza ny zavatra fantantsika momban'ny antsipirihan'ny fiainany, izy io dia lazaina fa anisan'ny siantifika lehibe tamin'ny Taona Taloha.