Antiôkôsy IV Epifanesy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Antiokosy IV Epifanesy)
I Antiôkôsy IV Epifanesy latsaka avy teny amin' ny kalesin-tsoavaliny

I Antiôkôsy IV Epifanesy dia mpanjaka seleokidan' i Siria tamin' ny taona 175 tal. J.K. hatramin' ny taona 163 tal. J.K. Teraka tamin' ny taona 215 tal. J.K. izy ary maty tamin' ny taona 163 tal. J.K. I Antiôkôsy III Megasy no rainy. I Laôdike IV anabaviny sady vady navelan' ny rahalahiny no novadiny.

Tamin' ny taona 171 tal. J.K. hatramin' ny taona 168 tal. J.K. izy dia niady tamin' i Egipta ka nandresy ny farao Ptôlemeôsy VI Filômetora sy ny faraoôna Ptôemeôsy VII Evergeto II. Nandresy ny Jiosy izy ka naka an' i Jerosalema sady nandrara ny fivavahana jiosy ary niezaka hametraka ny fivavahana amin' ireo andriamanitra grika. Nikomy sady nanenjika an' i Antiôkôsy Epifanesy ny Jiosy notarihin' ny mpisorona atao hoe Matatià (na Matatiasy) sy ireo zanany atao hoe Makabeo.

Taty aoriana dia nandresy ny Armeniana sy ny Persiana i Antiôkôsy Epifanesy. Nanenina tamin' ny fanenjehany ny Jiosy i Antiôkôsy Epifanesy rehefa akaiky ho faty. I Antiôkôsy V Eopatôra zanany no nandimby azy teo amin' ny fitondrana tamin' ny nahafatesany tamin' ny taona 163 tal. J.K.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]