Antenimieram-pirenena

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Antenimierampirenena)

Ny Antenimieram-pirenena dia ny Antenimiera iray manontolo ao amin' ny rafitra mpanao lalàna tsy ahitana Antenimieran-doholona, fa Antenimiera mifameno amin' ny Antenimieran-doholona kosa izy ao amin' ny rafitra mpanao lalàna ahitana an' io farany io. Ny ampahatelon' ny firenena rehetra eran-tany no ahitana Antenimieram-pirenena (firenena 75 amin' ny 195). Ny teny frantsay hoe "Assemblée nationale", izay nadika amin' ny teny malagasy hoe "Antenimieram-pirenena" dia ampiasaina indrindra any amin' ny firenena miteny frantsay sy any amin' ny firenena zanatany frantsay teo aloha, ary amin' ny firenena hafa koa. Any amin' ny tanin' ny Commonwealth sasany koa dia ahitana azy io. Atao amin' ny teny malagasy hoe solombavambahoaka (izay nandikana ny teny frantsay hoe "député") ny mpikambana ao amin' ny Antenimieram-pirenena.

I Nepaly sy i Tajikistàna no hany firenena roa misy io teny io entina ilazana izay tokony ho Antenimieran-doholona. Any Nepaly, ny Antenimieram-pirenena ao aminy (atao hoe राष्ट्रिय सभा / Rastriya Sabha amin' ny teny nepaley), hatramin' ny nametrahana ny lalàmpanorenan' ny taona 2015, no "Antenimiera ambony", izay antsoina hoe "Antenimieran' ny Solontena". Any Tajikistàna, ny Antenimieram-pirenena (izay atao hoe Маҷлиси миллӣ / Majlisi Milliy amin' ny teny tajiky) no Antenimiera mbony manampy ny Antenimiera ambany atao hoe Antenimieran' ny Solontena.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]