Andron' ny Alimo

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Andron'ny Alimo)

Ny Andron' ny Alimo dia vanimpotoana tany alohan' ny fotoana nandraiketana voalohany ny tantara, izay miavaka noho ny lanjan' ny fanefena alimo. Izany vanimpotoana izany dia mahatratra 2 000 taona eo ho eo, manomboka amin' ny taona 3000 hatramin' ny 2000 tal. J.K., ao amin' ireo faritra miavaka indrindra, dia ny any Atsinanana Akaiky, ny any Eorôpa ary ny any Azia. Miovaova izany arakaraka ny faritra eto an-tany resahina izany ka sarotra ny mamaritra azy any amin' ny faritra sasany eto amin' izao tontolo izao sahala amin' ny any Amerika nisian' ny sivilizasiôna prekôlômbiana izay nahafantatra ny fanefena volamena sy varahina hatramin' ny fahazoan' ny Espaniôla ilay faritra nefa tsy hita tao ny fanefana alimo.

Ny alimo dia anarana mahafaobe iantsoana ny vokatry ny fanatsonihana miaraka ny varahina sy ny firapotsy. Amin' izao fotoana izao dia ekena fa mandimby ny Andron' ny Varahina ny Andron' ny Alimo sady dimbiasin' ny Andron' ny Vy, any amin' ny faritr' izao tontolo izao izay ahitana miavaka ireo vanimpotoana ireo. Miova be ny fari-potoan' ny Andron' ny Alimo arakaraka ny faritra sy ny kolontsaina heverina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]