Alahady

Avy amin'i Wikipedia

Ny Alahady dia andro fahafito ao amin' ny herinandro raha ny Alatsinainy no atao andro voalohany fa andro voalohany kosa izy raha ny Alatsinainy no atao andro faharoa. Andro fahefatra izy ho an' ny herinandro manomboka amin' ny Alakamisy.

Ny Alahady eo amin' ny kolontsaina malagasy[hanova | hanova ny fango]

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny malagasy hoe Alahady na Lahady dia avy amin' ny teny arabo hoe الأحد / al-aḥad izay midika hoe "ny voalohany".

Laharan' ny Alahady ao amin' ny herinandro[hanova | hanova ny fango]

Andro fahefatra ny andro Alahady ao amin' ny herinandro manomboka amin' ny Alakamisy[1].

Ny finoana momba ny Alahady[hanova | hanova ny fango]

Andro mahery ny andro Alahady, noho izany dia tsy mety ny manao fandevenana, raha tsy folanandro[1].

Ny Alahady ao amin' ny kolontsaina niharan' ny kristianisma[hanova | hanova ny fango]

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny anarany amin' ny fiteny eorôpeana maro (ohatra, frantsay: dimanche, italiana: domenica, espaniôla: domingo) dia avy amin' ny andian-teny latina hoe Dies Dominicus, izay midika hoe "andron' ny Tompo". Amin' ny teny anglisy sy amin' ny teny alemàna anefa ity andro ity dia atao hoe Sunday sy Sonntag izay fandikana ny andian-teny latina hoe Dies Solis izay midika hoe "Andron’ ny Masoandro".

Ny fanoloana ny Sabata ho Alahady[hanova | hanova ny fango]

Nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 taor. J.K. dia nasolo ny Sabata ny Alahady tao amin' ny fiangonana kristiana ary nankalazaina ho fahatsiarovana ny nitsanganan' i Jesoa Kristy tamin' ny maty sy ny fidinan' ny Fanahy Masina tamin' ny Apôstôly. Ny emperora Kônstantino I no nanokana ny andro Alahady tamin' ny taona 321 ho andro fitsaharana, fialan-tsasatra, natao manokana hanompoana an' Andriamanitra. Tamin' izany dia noraràna tsy hatao amin' ny andro Alahady ny asam-pitsarana sy ny asa tanana.

Tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-5 dia nanomboka nametraka fitsipika momba ny asa atao amin' ny Alahady ny mpitondra fivavahana sy ny mpitondra fanjakana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. 1,0 et 1,1 "Alahady", Régis Rajemisa Raolison, Rakibolana malagasy, 1985.