Afganistana
| د افغانستان اسلامي جمهوریت جمهوری اسلامی افغانستان (Di Afganistan Islami Jomhoriyet Jomhore Eslami-Ye-Afghanistan) République islamique d'Afghanistan |
|||||
| {{ {{{langue}}} }} | |||||
| Afghanistana ((mg)) | |||||
|
|||||
| Teny filamatra : Andriamanitra no ngeza indrindra, Tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy Allah sy Môhameda. | |||||
| Teny ofisialy | pachto, persan (dari) | ||||
| Renivohitra | Kaboul 34°30' N, 69° 10' E |
||||
| Tanàna ngeza indrindra | Kaboul | ||||
| Fitondrana sy governemanta - Président |
République islamique Hamid Karzaï |
||||
| Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 41 652 000 km² Négligeable |
||||
| Isam-ponina - Tontaliny (2006) - hakitroka |
faha 38 31 056 997[1] mpo. 43 mpo./km² {{{1}}} |
||||
| Anaran'ny mponina | Afgana | ||||
| IDH (1993) | 0,229 () | ||||
| Sandam-bola | Afghani (AFN) |
||||
| Fiozao ny ora | UTC +4:30 | ||||
| Hiram-pirenena | Milli Tharana | ||||
| Valan-tsehatra internet | |||||
| Antso an-tariby |
+{{{indicatif_téléphonique}}} |
||||
Ny Afganistana na Repoblika islamikan' Afganistana (pashto : د أفغانستان اسلامي جمهوریت, dari : جمهوری اسلامی أفغانستان), dia firenena any Azia Afovoany tsy manana amorontsiraka mizara sisintany amin'i Pakistana, amin'i Tajikistana, amin' Iran, amin'i Torkmenistana, amin' Ozbekistana ary amin'i Sina.
Ny faritany misy an'io firenena io dia ifanenan'ny mponina maro sy ifanenan'ny mpivarotra avy tany eoropa ho any Azia na avy any Azia makany Azia andrefana na makany Eoropa. Tamin'ny andro taloha, io faritany io dia efa faritany nifanenan'ny mponina mpivarotra miaina eo akaikiny toy ny Iranianina, ny Torka na ny Arabo. Ny olo-malaza nandalo tamin' Afganistana dia i Gengis Khan, Alexandre sns.
Teo aorian'ny nahalatsahan'ny empira persa afsrid ny afganistana no lasa mizaka tena (tamin'ny 1747) eo ambanin'ny jeneraly Ahmad Khan Abdali, lasa padishah an'ilay firenena tamin'ny 1747. Ny faritany isiany dia, tamin'ny andro taloha, vaonin'ny empira baktriana, ny empira kušan na ny empira gazvenida.
Teo aorian'ny ady anglô-afgana faharoa, ny britanika dia tsy namela an' Afganistana tany, fa milaza ny britanika fa tsy hidikiditra anaty ny raharaha anaty ny faritra mijanna. Ny Afganistana dia lasa hoe Firenena "tampon" tamin'ny 1879 hatramin'ny 1919, fa mbola mahazo mizaka tena amin'ny lafin'ny politika anaty.