Aina Nirina

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny AINA NIRINA)

Andrianarivelo Rahajanirina Hery dia mpanoratra malagasy. Aina Nirina no solon’anarana entiny amin’ny maha mpanoratra azy Teraka ny 03 jolay 1970 tany Toamasina.

Biôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Nanomboka nanoratra ny taona 1984. Ny fankafizana ny tononkalon’i Rado tao ami’ny boky DINITRA famakiny isan’andro tamin’izany fotoana izany no nahatonga azy hanomboka hanoratra. Nanampy izany koa ny fitiavany ny tononkalo tao amin’ny boky Tononkalo notsongaina 1 sy ny tantara nosoratan’i E.D. Andriamalala.

Efa namoaka tononkalo an-jatony tao amin’ny pejy fesibokiny i Aina Nirina sy tao amin’ny [vetso.serasera.org]

Mpianatra tao amin’ny Kolejy Md Josefa Ambatondrazaka tamin’ny Fanabeazana fototra sy ny Ambaratonga voalohany. Tao amin’ny Sekoly Teknika Ambatondrazaka kosa no nanohizany ny Ambaratonga faharoa ka nahazoany ny diplaoma Bakalorea Teknika sampan’asa Trano sy ny Asa Vaventy (BTP).

Tany amin’ny Sekoly Ambonin’ny Politeknika Antananarivo (Vontovorona) no nianarany ka nahatafavoaka azy ho Injenieran’ny trano sy ny asa vaventy (BTP) ary nahazoany ihany koa ny mari-pahaizana ambony fandalinana momba ny Siansan’ny akora (Diplôme d’Études Approfondies en Sciences des matériaux). Maro ny fianarana hafa nataony ankoatr’ireo fa ireo no tena nisongadina.

Ankehitriny dia mitantana ny orinasany madinika no sady mampianatra i Aina Nirina.

Namoaka ny bokiny voalohany: Sombin' i Aina 1 ny fiandohan’ny Febroary 2015 : Boky 106 pejy misy tononkalo 54 sy sombin-tantara voarafitra ho tononkalo misy fizarana dimy (Satriko).

Nasain’ny Faribolana Sandratra ka nandray anjara tamin’ny antsan-tononkalo Zara fanahy tao amin’ny CGM ny Sabotsy 28 martsa 2015 ary nivoaka tao anatin’ny boky Zara fanahy ny tononkalony.

Nanao antsan-tononkalo voalohany niaraka tamin’ny poeta sy mpanakanto namany ho fanolorana ny boky Sombin' i Aina 1 tao amin’ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola ny Sabotsy 11 Aprily 2015.

Ny sotatro[hanova | hanova ny fango]

Eny, tena ekeko fa nisy tena niainako ny zavatra soratako,
Nisy ny hafaliako, nisy ny alaheloko, nisy koa ny ratrako,
Nefa nisy koa ny tranga nolalovan’ny hafa sy ny namako,
Na ny zava-nisy nampiainga ny fanahiko tena mba tsy tanako…


Soratako avokoa na ny eto an-tany na ny antaranoana,
Na ny nofinofy any an-danitra any na misy na koa foana,
Soratako ihany koa : ny siakan’ny ririnina, ny hiran-dohataona,
Ny hitan’ilay jamba, ny ren’ilay marenina sy ny antson’ilay moana…


Nefa misy soratro : tantara noforonina sy zavatra tsy nisy,
Ainga mba nandalo, akon’ny tsiaro sa tsiron’ny kalisy ?
Avelon’eritreritra sa fanahy nibitsika : tsy fantatro mihitsy,
Fa ny korisam-peniko nisononoka mora nanoratra mahitsy…


Dia novetsoiko tao famboraham-pitiavana nitsiry ka tsy tana,
Tambolombolom-betson’ny fo sendra tselatra sineram-pahazavana,
Dia taitra ianao ry tiako hoe : taitran-drandram-bao mitady fiovana,
Izaho ilay tianao, fa jihitry ny hatsiaka ka mila hafanana…


Tsy mino ahy ianao hoe iny soratro iny dia kalo fotsiny ihany,
Mba kalon’ny poeta sendra nivahiny tany antsahan’ny vinany,
Dia tena heverinao fa raikitra fitia nandalo tany ho any…
Nefa anie ianao no malalako ho doria : tokana eto an-tany.


AINA NIRINA[hanova | hanova ny fango]

(08 oktobra 2014 tamin’ny 19 :58)
(Boky Sombin’i Aina 1 pejy faha-54)


ALINA MITOHY[hanova | hanova ny fango]

Dify ny masoandro…
Alina ny andro…
Alina anjakan’ny nofy na ny tsara na ny ratsy…
Ali-maizina kanefa misy hazavana mihantsy…
Rehefa ilay mandravaka azy ny kintana mangiaka,
Ny jiro mitsilopy sy ny volana baliaka…
Zava ao anaty haizina : ao isika no miaina
Anaty alina mitohy, ao isika no mangaina…
Ao isika no miharitra…
Miandry fara-vodilanitra
hisy tsirim-pahazavana hiposahan’ny maraina…
Fa ahiana ho very maina,
Ireny dinitra nafafy sy ny ràn’ireo mpitolona :
Matimaty foana ny olona
efa an-jato taona izao ho an’i Madagasikara…
Sa ve efa izao no anjara
mba hizoran’ny tantara ?
Iza ihany no antenaina
mba hitondra ho antsika ilay tsikin’ny maraina ?
Ry vahoaka Malagasy, mba samia tonga saina…
Eo am-pelan-tanantsika ilay tena fahefana
Hampiposaka ho antsika ilay tara-pahazavan’
ilay masoandro vaovao…
Ry vahoaka, aiza ianao ?


AINA NIRINA[hanova | hanova ny fango]

(16 oktobra 2014 tamin’ny 21 :39)
(Boky Sombin’i Aina 1 pejy faha-61 sy 62)


HIAKA TSISY FEO[hanova | hanova ny fango]

Mafy loatra anie ny sedra mianjady,
Tsy zakako intsony fa tena resy an’ady ;
Ka ny hakiviana no tsapako misoko :
Setrom-pisentoana, manempotra ny foko…


Rehefa tojo ngidy sy ady mahamay,
Izay vao mba mahatsiaro ny Anaranao ry Ray,
Nefa tena tankina ny feo eo am-bavako,
Ka any am-poko any no misandratra ny vavako…


Menatra aho ry Ray miandrandra ny habakabaka,
Fa efa ela loatra no tsy nahay nivavaka,
Tankina ny feoko ka hiaka any anatiko,
No indro fa soratako sy arantirantiko…


Miangavy Anao ry Ray, jereo ny zanakao,
Mibaboka fa diso, mifona, mitalaho,
Mpanota tsy mba mendrika, ondry izay nania,
Hiverina ao am-bala : ekeo ry Tompo tia !


Mba omeo hery hiatrehana ny dia,
Aza avela ho kivy ity mpanomponao ity,
Sarotra ny lalana sady feno tsilo,
Tantano sy tariho : Ianao ry Ray no jiro…


AINA NIRINA[hanova | hanova ny fango]

(23 septambra 2014 tamin’ny 15 :12)

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]